Rahampitso !
Hisy masoandro vao mibaliaka ery an-danitra
Hisy rivotra mitsoaka sy hamerovero hanitra
Hisy kalokalo mamy hataon’ny reny ho an’ny zanany
Hisy vohitra miaina ao anaty fiadanany
Hisy saham-boninkazo milenodenoka jerena
Hisy tanim-bary soa miloko volom-bolamena.
Eny, rahampitso, raha tianao :
Hisy fo mifankatia izay ho feno fahasambarana
Hisy koa ny fahatokiana hisolo hidim-baravarana
Hisy ampangoro manitra hilaofana varanga mena
Hisy fitovian-jo lavitra fitiavan-tena.
Hisy angady lava lela hanelatrelatra eny an-tsaha
Ary hiran’ny kilonga izay manaitra ny mpizaha…
RADO